Miandry anao ny taninao - Jeankely Razafimamonjy
Azo vakiana?
Ry tanora manan-tsaina,
Ianao no mbola hantenaina,
miha-mandroso ny fotoana,
Lasa ihany koa ny taona,
Miandry anao ny taninao.
Milanao Gasikara ,
Hanampy sy hikarakara,
Hanandratra ny voninahiny,
Fandrosoana no katsahiny,
Miandry anao ny taninao.
Ampio ireo mpitondra anao
Hahantontosa izay atao,
Ny toe-tsain'ny tsirairay,
Anisan'ny dingana iray,
Miandry anao ny taninao.
Ny fototra sy fanalahidy ,
Dia ny fitandremana ny didy,
Fankatoavana ireo lalána,
Sy mampitombo fahalalána ,
Miandry anao ny taninao.
Ny kolikoly sy ny tsolotra,
Dia samy zava-maha-sosotra,
Ampy kosa angamba izay ,
'Reo tsy nety hatrizay,
Miandry anao ny taninao.
gasyjean
Hevitra mandeha
Miarantsoa (10/02/2005 18:49:57)
Raha samy matahotra an ' Andriamanitra marina ny an- kamaroan ' ny mpitondra sy ny entina dia ho tafavoaka isika !
Tsy isalasalana izany !
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjeanDaty : 05/02/2005
Mpamangy : 828
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RediredyTempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao