You are here: home > Vetso

Ny hafany - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Ry mpamaky ahy;
Aza mba misalasala,
Fa matoa ireo nanoratra ahy
Hanamboarana ny saina.

Tsy fireharehana sanatria!
No asehon'ireo mpanoratra,
Fa mamboraka fitia
Ireo izay vita atao ohatra.

Tsy natao hifaninana,
Raha maneho ny ao am-po
Tsy hiderana fananana,
fa hizarana zava-tsoa.

Ry mpamaky malala;
Anao ny asa izay natao
Koa aza mba misalasala
Izay hevitrao lazao.




Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy

Nampiditra : gasyjean
Daty : 17/11/2005
Mpamangy : 1086
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Rediredy
Tempon'ny fo
Mila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao