You are here: home > Vetso

Ny tsiky - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Hasamabarana ao am-po
Hafaliana ao an-tratra
Maharavoravo fo
Omena ireo 'zay tsy zatra

Tsy voavidy vola na harena
Fa omena maimaim-poana
Tsiky kely tsy mba noterena
Miran-tava ,faly foana

Tsiky anehoan-tsarikana
Tsy handaniana hery lehibe
Ireo kanto sy meva ao an-tanana
Tsiky no handravahany tarehy

Tsiky maneho fifaliana
Sento sy tomany avela any aoriana
Marika mahagaga sy mahaliana
Izay mahitanao dia sondriana.



Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha