Roso (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ny hoe mandroso ?
toa tsy fantatrao akory
Mba hahafahana miroso
Miasá miareta tory

Ny fandrosona dia asa
Tontosain'ny tsirairay
Hanoherana ny lasa
Nampihetry hatrizay

Ny mandroso dia adidy
Handrandraina sy lalaina
Ho solom-by fanalahidy
Dia ny vatana aman-tsaina


Ny fandrosoana dia tanjona
Handinganana ny lalana
Raha ny hafa no mahatalanjona
Ny hakamoana atao mahalana

Ny mandroso ho amin'ny tsara
No mendrika sy lavorary
Hoan'ny zanaka amam-para
Endrika mandrakitra an-tsary

Ny fandrosoana ry tanora
No katsaho sy hifantohy
Dieny mbola misy ny ora
Ny dianao no harosoy.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1171 1
Mpakafy: gasyjean
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 15/04/2005 14:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145