EMBONA (Riankanto Ny Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA

Mipololotra miraraka etoana
Ny senton'ny foko tsy haiko toniana
Raha mahatazana iretsy havoana
Nilaozan'ny tara-masoandro mangina

Ny lokon'ny lanitra e manganohano
Toa volamena madio sady soa
Fa ny tavako kosa no toa vonton-drano
Mahatsiaro ilay tany mamaka ao am-po

D'ilay tany nitaiza ny fahazazako
Nianara-nandady, nahaiza namindra
Ilay nivelaran'ny fahatanorako
Mitahiry ny vetson'ny fo tsara rindra

O, Reko manako sy mibitsika iva
Ny hira nandrotsy ny fo tamin'izany
Tsaroako ny andro somamby hariva
Nivelezan-damako teny Antamponivinany

E ry Ambositra tany tsy foiko
Manembona anao ka misento mangina,
Ry havana tiana tsy maty ato am-poko
Mandrapitafa... Veloma masîna...

Riankanto Ny Fitia
Ambohitsaina 190119
--------
Rohy:
Sokajy : embona
931 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : riankantonyfitia
Daty : 23/02/2019 05:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142