"AZA MIOVA" (Riankanto Ny Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ho an'i N.A sakaizanay.

AZA MIOVA

Hanky va re rehefa ela ny ela
adino ny zavatra vita, indrisy-
Tsy misy mba sombiny kely tavela
fa mangadihady sy toy ny tsy nisy

O, tsontsa paika ny fo tena nino
f'ianao tara-bolana tsy mba hisoka
kanefa tsy tana ary koa nanadino
tsy mierika intsony an'ireo lokaloka

Olombelona mantsy ka be siasia
ka moa omen-tsiny? Mangina ry foko
Raha mbola aminao koa ny sombim-pitia
hazòny hatrany, tandrovy tsy hiofo

Fa mihodina hono ny lalan'ny tany
ka izay tafasaraka mbola hihaona
eo no tsiahivo ny lasa fahizany
Fa ny tena sakaiza tsy miova eny foana

RIANKANTO NY FITIA
--------
Rohy:
454 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 26/09/2020 15:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147