"Dotra" (Riankanto Ny Fitia)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"DOTRA"

Injao fa mangina ny moron'ny rano
Ka rivo-mitsoka malefaka sisa
Hany misangy ny felan-tatamo
Nilaozan-tsiriry ka mipitrapitra...

Indry fa nisoka tan-danitra ambony
Ilay tara-bolana kely efa osa
Nilefa tsy hitan'ny masoko intsony
Ka dia maizin-drery ny foko efa dotra

Ry kintana vitsin'ny lanitro ngaly
valio hoe nankaiza ny fanadinoana
antsoiko kanefa tsy reko mamaly
ny hiakako miharo fisentosentoana !

Injao fa mangina ny moron'ny rano
ka meteza hiantra ny foko, o ry tany
ny masoko mantsy raha manganohano
tsy ditsoka izany fa tena tomany...

Riankanto Ny Fitia
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 26/09/2020 14:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158