FANAFODIKO (Riankanto Ny Fitia)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Semporin'ny onja mitopa mahery,
Somparan'ny rivotra mafy fitsoka
Ditsoka ho azy ny maso mijery
Mijaiko famindra, manahy ny ho dotra

Singorin'ny rantsan'ny androny omaly,
Samborin'ny sisa sy sombina tsiahy
Misento mangina tsy afa-mifaly
Ny fo sy ny saiko ary koa ny fanahy

Kanefa banjiniko ny andro somamby
Taratry ny endrikao soa sady raitra,
Ilay dindonao izay miendrika voahangy
No handroaka ny jaly izay miangola vaitra

Ka dia velon-tsiky aho, mamafa tomany
Fa hisava tsy ho ela ny soritr'aretiko,
Na inona sedra sy ankason'ny tany
Ny sambatra foana no eritreretiko

Ka na tsisy mamafa aza izany tomaniko,
Na tsisy mandre koa ireny antso todiko
Tretrika foana aho rehefa tantaniko
'Lay anjelin'ny foko izay toa fanafodiko...

Riankanto Ny Fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
905 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : riankantonyfitia
Daty : 23/02/2019 05:34
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104