HAMPOMBAIKO, (Riankanto Ny Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMPOMBAIKO

Hampombaiko ny senton'ny foko mankany
Iny rivo-mitsoka malefaka iny
Fa feno alahelo ny foko tomany
Manembona mafy ny anilan'ny tiany

Ary hafarako koa izatsy vorona mody
Hampita any ho any ity kaloko ity
Fandrao mba izany no hoe fanafody
Enti-mitsabo ny ratram-pitia

Dia ny ratram-pitia izay mikiky ny anaty
Mahaketra-panahy ary koa mampahory
Manaintaina, manindrona mafy
Tsaboina kanefa tsy mety mitony

Tsy mety mitony fa toa zatra tamby
Sy zatra rotsian'ny angolany koa
Ka misento mahatsiaro ny andro somamby
Nifampizarana ny vetson'ny fo

Manembona mafy ny anilan'ny tiany
Sy feno alahelo ny foko tomany:
Ka iny rivo-mitsoka malefaka iny
Hampombaiko ny senton'ny foko mankany...

Riankanto ny Fitia
--------
Rohy:
420 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 26/09/2020 14:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104