Fitiavana hafahafa (rivoarinjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana hafahafa


Rangitra fitia no nanombohana azy
Fetaka sy daka no nampisy azy
Zaitra sy tolona no nahatonga azy
Lefona sy basy no nampiposaka azy
Fitiavana mitoetra, fitiavana hafahafa
No nentiko nitia, fitia olon-kafa
Fitiavana tsy nahy,fitiavana mamotika
No nomenao ahy, fitia mampanotika
Mampanakotsako,mampanorisory
Manaikitra any anaty, tsy ahitana tory
Mampangovingovitra sy mandrerak’aina
Mampiridandridana sy mampitaraina
Aleo hatsahatra dieny mbola mazoto
Aleo havela hosen’ireto fanoto
Fa fitia tsy zarizary sy manimba fiainana
Sao fongoriny eo ka ho velo fitarainana…


♫♫♫Rivoarinjato
janv 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1229 1
Mpakafy: rivoarinjato
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 26/03/2013 20:56)
Ndrao hanahirana marina iznay ry Rivoarinjato ! Hafa kely ity Fitiavana hafahafa ity, araka ny anarany ! Misaotra nizara o !
fahamarinana ( 26/03/2013 20:56)
Ndrao hanahirana marina izany ry Rivoarinjato ! Hafa kely ity Fitiavana hafahafa ity, araka ny anarany ! Misaotra nizara o !
hentsnadia ( 04/04/2013 08:00)
tsara be le izy, manana aingam-panah be ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rivoarinjato
Nampiditra : rivoarinjato
Daty : 18/03/2013 07:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016