Miezaka aho… (rivoarinjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miezaka aho...

Mifoha maraina aho
Miezaka ny ho faly
Kanefa ao anatiko aho
Maratra sy mijaly

Mandritra ny tontolo andro
Mandra-pilentiky ny masoandro
Tsiky hatrany no hatolotro
Mba hitafy ireto molotro

Nony tonga anefa ny alina
Dia indro fa mivarina
Mifokofoko mitomany
Satria efa tsisy mpanontany

Satriko aza irery foana
Mba tsy hisy hatsikaritra
Irery mandritra ity toana
Mba halahelo anao maharitra

Kanefa saingy indrisy
Tsy ho hisy ny olom-bitsy
Satria ny tena olombelona
Ka miaraka amin’ireo mpiara-belona

Eny vitako izany hoy aho...
Eny ekeko hatrany hatrany...
Fa ny ratra navelanao...
Dia mbola hisy fiafaràny...


♫♫♫Rivoarinjato
Mars 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1042 1
Mpakafy: rivoarinjato
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rivoarinjato
Nampiditra : rivoarinjato
Daty : 14/03/2013 07:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02