Mbola tia anao... (rivoarinjato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tia anao…


Maizina ny tany satria nilaozanao
Maloka ny andro satria tsy eo ianao
Mangina ny mozika sasa-miandry anao
Marary ny foko noratrainao
Henoko manako ny tsy fitiavanao
Injao mandatsa ahy ilay salovanao
Tazako avy ety ny fianjonanao
Menatra aho kanefa te hanantona anao

miondrika aho, mitodika ianao
Mitomany aho, mifaly ianao
Maratra aho, mihomehy ianao
Mijaly aho, mihasambatra ianao

Mazana kanefa manan-daja ianao
Makadilo sy mangeja ny fisintahanao
Aleoko mandefitra raha mbola azo atao
Izao angamba ilay hoe mbola tia anao??

♫♫♫Rivoarinjato
Mars2013
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1934 1
Fans: rivoarinjato
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : rivoarinjato
Inséré par : rivoarinjato
Date : 14/03/2013 11:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144