Embona sy fahatsiarovana,.. (RLChrystien)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embona sy fahatsiarovana,..Any ilay tananà nilatsahan’ ny tavoniko izay tsy haiko ho adinoina
Any ireo malalako tsy manam-paharoa izay tsy azoko soloina
Manina azy aho zany fa toa tsampoko efa ela aho izay tsy tany zay
Ny embona sy tsiahy no hany mba fitaovana fifandraisanay
Tsampako ho manonja rehefa injay miserana ireo fahazazana
Izao aty an-tanin’ olona nohony fitadiavana no lasa toa tamana
Mahatsampa miady irery sy olon-kolom poana miferitraina lava
Fa any alavitra any tsy misy tazana eto ireo olona lalaina sakaiza fahazaza
Misaotra anao ry penina fa enao no namako eto tsy mba manalavitra ahy
Ianao no fizarako ireo tsy ambareteloko sy izay manahirana ahy
Ianao no hany tokana mahafantatra voalohany ny am-poko tsy miloaka
Tsy ny ao am-poko ihany fa hatramin’ ny tato an-tsaiko no vitanao nivoaka.
RANDRIATIANA Lalainasoa Chrystien
RLChrystien
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Fahatsiarovana