Mahaleotena ve isika? (RLChrystien)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahaleotena ve isika?Moa tokoa ve tena marina,
Mahaleotena ve isika?
Sa an'olona nindramina
Ka rehefa ilainy d'efa tsita
Toa tsy mampino nefa misy
Hoe izao dia malagasy monina eto Gasikara
Fa ny "Patron" ko eto tsy mba Gasy fa karana
Ka raha sendra miditra amin'orinasa iray,
Dia misalasala sy toa mangasihasy
Fa na io anglisy na koa frantsay,
Fa tsy tafiditra raha vao miteny malagasy,
Mahaleotena ve isika
Sa mbola eo ambany fanjanahan'ny vahiny
Sao sanatria ka very maina,
Ireo tolona nataon'ireo razana fahiny,
Mahavariana raha dinihana,
Ny fiainantsika malagasy
Fa raha mba miditra birao dia mahatsapa ho sahirana,
Satria voarara matsy hono ny miteny malagasy.
RLChrystien 21/06/2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana