Tsy natao ho anjara,.. (RLChrystien)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy natao ho anjara,..Efa madiva hilentika eny am-paravodilanitra, ilay masoandro mody
Efa mifanjevo sy misomebiseby, ny vahoakan’ Irivo hamonjy ny fodiana
Efa manomboka mirenty, ireo jiro maro loko izay haingon’ ny tananà
Efa mitandavana manenika ny lalana, mameno lalambe ny fitohanan’ ny fiara.
Dia …, izaho,
Mahatsampa efa torovana sy volivoly hatoka dia mbola manantena ny fahatongavanao
Tsy nisy tsy voadiniko ny endrik’ ireo olona nandalo teo anoloako, mba ho entiko hanavahana
Ilay endrikao bakora ;
Dia indro fa niserana tovovavy iray bikana sady kanto, miaraka amin’ ny volo malama sady tsotra
Izay misarakorako ;
Dia indro ianao fa niherika, nanompy maso tamiko, nihentana aok’ izany ny tany anatiko any, fa io tokoa ilay endrika netinao nambabo ny foko manontolo.
Dia nitsangana aho, namindra moramora nitanjona ny hanatona mba hanakaiky anao nefa,..
Indrisy tsy nampoiziko, tovolahy iray nanipy izato sandriny ho eny antsorokao avy etsy an’ ankavanana ;
Ka indro fa nihamaizina ny manodidina ahy, fa safotry ny raona ilay masonao malika, diavola-nanazava ilay foko many irery ;
Ka teo vao tena tsampako, fa tsy natao ho anjarako ny hianoka hasambarana eo an-tratranao .
Lasa amborona aho nandefa moramora ilay tanako mangovitra, tao am-posiko ankavia, namoaka ilay finday ;
Dia nanompy maso nitazana mangina ny fikorisan’ora, fotoana faramparany hibanjinan’ ny masoandro ny ety ambony tany ;
Mialohan’ ny hidifiany, ao ambadiky ny havoana hianjera tsy ho ela any an-dranomasina any amin’ ny enina ora hariva ;
Efa hanomboka hangina ny tontolo ambony tany fa ora roa na telo sisa dia ho maizim-bava ny vilany.
Dia tapa-kevitra aho fa mba hamonjy ny fodiko, ka nibata moramora ilay tongotra mavesatra toa miraikitra amin’ ny tany ;
Narary koa ny saiko fa voapetrapetrakao,
K’aleoko mody aloha fa mbola amby ny folony ny kilaometirazin’ iny Ampitatafika iny.
RLChrystien
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana