Satria ve izaho… ? (RLChrystien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria ve izaho… ?

Satria ve izaho tambanivohitra, zanak’olona sahirana ?
Tsy ampy fahalalana, dia noheverinao fa bado,
Satria ve izaho tsotsotra ? Dia sahinao nandosirana,
Noratrainao ny foko, rehefa hitanao fa babo,

Satria ve izaho…, tsy mba bandy be lamaody ? tsy amin’ ilay tadiavinao,
Tsy mba irony manam-bola,na koa manana fiara,
Tsy mba nanana inon’inona hanambazana anao,
Fa ny foko no nomeko satria.., izaho nihevitra fa hoe, izany no mba tena tsara,

Izaho aki tomombana, fa tsy tonga lafatra,
Ka tsy afaka ny hanozona, na koa hoe… handeha hikafatra,
Fa manam-pahatsampana aho, ka indro mba manafatra,
Dien’ izao tanora izao, dia mba mihezaha manao ny tsara,

Raha ny fahantrako ve? Tsy atao mampitanondrika io,
Fa dingam-piainana lalovana, toy ny tamin’ ny fahazaza,
Nandady aloha vao nahay namindra, dia mba zay no tadidio,
Tsy hisy handady mandra-maty, fa aoka kosa aloha hazava,

RLChrystien
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
62 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RLChrystien
Nampiditra : RLChrystien
Daty : 05/07/2025 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151