Tantara fahazaza, (RLChrystien)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantara fahazaza,Tantara fahazaza nefa tsy haiko ho adinoina fa, …
Reko toa mandoro, to’afo tsy hay vonoina
Ilay niaretak’hirifiry niezaka namikitra,
Nitana ho ahy irery, ilay tsiambaratelom-poko
Saingy …, n’ela tao, dia …,
Nitombo toy ny rano, ka tsy haiko nofefena
Fa namaky fefiloha, nibororaka tsy tana,
Lasa nipariaka nanamando tany mena,
Dia voalazako tsy satry,
Nef’indrisy mantsy fa …, toa voka-tsy nampoizina
Tsy mb’izay nokasaina sy fanirian’ny saina,
N’indro toa tanteraka, fa zavatra hafa mihitsy,
Toa lasa fahorian’ilay vin’izay kinasa
D’ilay nofinofy nifantoka tan-tsaiko, n’hiara-tsambatra aminao
Nandrandraik’ ho tanteraka, lasa toa baraka,
Fa izaho sy anao dia lasa toy ny olona hafa mihitsy, vao hifanavao
Dia teo no lasa rava, ka…,
Voasoratr’ho tantara nomeko lohateny hoe : «Tantara fahazaza»
Fa tapaka tanteraka, k’ilay fihavanantsika,
Dia tsapako ho niharava sy toa narisarisa.
RLChrystien, Fianarantsoa ny Novambra 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana