Sain-davitra - saoly
Azo vakiana?
Raha tsapanao mandreraka
ny hazakazaky ny tany
ka manomboka mahafanina
ny fihodiny isan'andro,
Mijanóna kely hilaozany
ny hariva maty masoandro
fa alefako haka anao
ny vola-tsinankerinandro
rehef'izahay azon-dohan-tory.
Hitondra anao an'habaka,
Hitazan-davitra tsy hiamboho,
ny hazavana sy ny haizina
nifampizaratsika mitovy.
Dia manisà efatra ambin'ny folo
mandra-pifamadi-toerana
ny voataratra amin'ny aloka
Eo ianao no miandry ahy
Fa efa lalako ihany iny.
Mombamomba
Mpanoratra : saoly
Nampiditra : lemadyDaty : 19/03/2021
Mpamangy : 343
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fara-hafatraIlay toakako
Tokim-pitiavana (extrait)
Natao ho an'iza
I kala anona
Ry tsy hita