Filatsahan-ko fidiana 2023 (Lemady)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy efa tsara sy dongadonga, nantenaina tsy halazo
Fa vao tsy nirotsaka dia tonga,
ny valiny mety ho azo.
Naleony niemotra tsy sazo.
Nisy nanatsofok'ihany,
fa nony tamin'ny ora farany ,
dia tsy nalefany tany,
nosintominy ny anarany.
Tsy ho efany ny sarany.
Ao ny miseho vonona sy sahy,
nefa ny andro efa voaisany
Fa tsy lonaka aminy ny saha,
ka esorina tsy ho isany.
Banga koa ny tapitrisany.
Nisy voabahana ny lakana
fa manao bodongerona
Vonon-kandrovitra ny sakana,
te hitondra azy miverina.
Ny volabeny efa naterina.
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Fitiavana
