Jironay (Lemady)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha telo d'efa mampivalo ny rehetra fa mandreraka,
Ianao nahatafita valo am-pamendrehana tanteraka.
Ny namadihana tanety, ny namoronanao ireo tsy azo,
Ireo lalan-davitra voatety, nahazona aretina nandazo;
Dia mba hihinana sy ho tafita, hahabe ireo zanakao,
Fa anisany aho, nahita, ka haiko izay nosedrainao.
Anio satriko ho izaho indray no handroso anao sakafo matsiro.
Hamboatr'ho anao mofo mamy iray raha tsy tapaka ny jiro.

Na ianao ilay tonga mirongo vahiny maro ho ampahafantarina,
Ny tetiharan-dRainiandrongo sy ireo rohy saro-takarina,
Na ilay mitaona anay hijery anjara Tany tady hisy hamaritra,
Na ilay mikiry hamangy an-dRazery ndrao izy efa tsy haharitra;
Dia mba ho fihavanan-tsy rava, ahalala ny fototra niaviana,
Ka tsy laony ianao nanazava taminay na dia efa tsy liana.
Izao nefa asa fa manjary toa satriko hihaino anao mitantara,
Ho tahaka anao sy ny horonan-tsary, fony jiro nandeha tsara.

Tsy nifandray be nikohizana, na irony mpinamana akaiky.
Na hetaheta itovizana raha nentinao aho tsy ho nanaiky.
Fifankatiavana tsy mivaky fa tsy sanatria nifankahala,
Ka na tsy niteny sy nitaky dia efa samy nahalala.
Dia nisy lafinao tsy haiko tambadik'ireo rediredy.
Tsy nety takatry ny saiko fa teo aho variana nibedy.
Androany satriko raha mba isika, no hiaraka hifandom-bera
hisotro ilay vonton-katsiaka, saingy ny jiro tapaka tsy niera.

Fa Olomanga ianao aminay, tsy haiko izay an'ny hafa.
Namela dia tsara mandrakizay tsy mba hisy hahafafa.
Na nidify tsy hita intsony, dia mijanona ho modely.
Mbola asandratray ambony, tsy ho adino velively.
Fa ny fiainana nitohy hatrany, nisy aina vao nanolo.
Izaho mino fa na lavitra any dia arakao manontolo.
Fa ny fitiavanao anay tsy rava, mateza toa afom-boamadiro.
Mbola mahatsinjo anay mazava na anaty fahatapahan-jiro.

Fa ianao koa Jironay.
___________________________________
Nisoratana
ho an'i Dada: RANAIVOMADY
12/02/1950- 30/06/2020

tamin'ny 30/06/23
--------
Rohy:
203 1
Mpakafy: lemady
Hevitra mandeha
lemady ( 01/07/2023 04:52)
Te hanoratra ho azy tononkalo:
- voatokana sy mitantara ny momba azy ka tsy azon'iza adika na atolotra ny rainy.
- sarotsarotra takarina ho an'ireo tsy mahalala azy fa mazava be ho an'izay nahafantatra azy, tsy nasiana teny manondro mivantana ilay tiana tenenina (dada, ray, fahafatesana, toaka,Anaranolona, ...)
- tsy mahatonga alahelo be loatra ka nohezahana ampihomehy kely.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lemady
Nampiditra : lemady
Daty : 30/06/2023 17:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148