Ry tsy hita (Lemady)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ririnina tontolo no lany,
niandrasako hafatr'ho voaray.
Fa toy ilay hazo ery antokotany
tsy misy ravina na iray.
Ilay nambolena zana-ketsa,
nisy hitsin-dalana niforona.
Izay mbola petsapetsa
sisa itangoronan'ny vorona.

Nandalo koa ny lohataona,
masoandro hila havaky loha sola.
Indreny tazana mifampitaona,
eny amorontsiraka ny manam-bola.
Re misitsioka aok'izany
ry vorona tsy hay hoe ahoana.
F'izaho ity mbola eto ihany
tsy mahalala zay misy anao foana.

Maitso avokoa ny manodidina.
Fahavaratra no ity manjohy.
Efa misy mahay manidina
ilay zana-borona vao fohy.
Mihamiakatra ny rano,
dia io akaikiny ny vary.
Ilay tsy mifandao an-trano,
Hatreny an-tsaha tsy mifanary.

Mihamena ny fody hanokatra
ny taom-pijinjana ho avy.
Miandry fararanom-bokatra
toy ny volin'izy mianakavy.
Ny olona, ny ravin-kazo
Miova loko, mihamaina.
Fa dia mbola tsy nahazo
izay antso iray mba nandrandraina.

Ireo olona tsy eo...
Ny tena manorisory
dia toa hitanao, toa re feo,
ao an-doha na efa hatory.
Ataonao ho mora amin'ny saina
ny hamaf'alahelo mangina.
Saingy indrisy vao maraina
dia ataony sarika am-pandriana.

Mba valio raha mba hainao,
Mbola hafiriana no hisodisody
handindona amin'izay atao
ny alok'olona tsy mety mody ?
Miteny irery, miangavy.
Tsy mbola adala ve, mba manontany ?
Fa ireo olona tsy ho avy
Tsy misy iraharahiany izany.



Fa resak'inona ary izany ?
Fambolena, fizaran-taona,
Toa vorona mananihany,
Miseratserana eny foana?

Kisary ireo, ahazoanao kokoa,
izay tiako ho antitranterina
dia hoe izaho mora miraiki-po
amin'ny zavatra mbola miverina.
--------
Rohy:
1207 1
Mpakafy: lemady
Hevitra mandeha
lemady ( 18/11/2018 11:32)
(conversion Les gens absents Francis Cabrel)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lemady
Nampiditra : lemady
Daty : 18/11/2018 11:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0878