29 martsa (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
29 MARTSA

Rehefa tena nohalalainiko
Io daty tokana io,
Ary nozohiako hatrany ;
Dia izao no fahitàko :
Tsy tokony hisy fety mihitsy
Eto an –tanindrazantsika,
Tsy tokony hisy hikoràna
Na hiravoravo akory;
Tsy tokony hisy mihitsy kianja
Handrenesana lamako.
Fa tokony olona hitomany !
MADAGASIKARA ONTSA
No tazanina eran –tany :
Aorian’ny voninkazo?
Tsisy fiaretan –tory !

Fa diso saina ihany mantsy
Ny sasantsasany indraindray,
Isika miloloha lanitra
Sy mandia ity ivon –driaka :
Tsy ireo mahery no tsaroana
Fa ny rà izay nalatsany !
Tsy noho izy hoe niady,
Fa ny aina izay nafoiny.
Ka izany ve Sakaiza
Dia ravahana mozika ?
« FISAONANA tsy ASARAMANITRA ! »
Fa raha sitrakao ny tolony
Aleo midera an’Andriamanitra ;
Noho ireo maty marobe
Sy ny faherezam –pony

Ka aleo hisaona ny mozika
Fa sao handatsa maty isika !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
29 Marsta 2003
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
847 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147