Ady ny nitia anao (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY NY NITIA ANAO

IMPIRY niady seza taminao ny fitiavako
IMPIRY nanantena? Impiry mba niandrandra ?
IMPIRY moa ny foko no naniry anao ho havako ?
Ny “IMPIRY” dia baraingo sy tsoraka mivandravandra !

Nefa ireny taminao, piti –drora tsy nandena,
Zavon –drano vao maraina, erika nafafin –drivotra ;
Aminao ny LEHILAHY dia voahozona hanantena
Sy hisoron’aina hamikitra amin’ny tsatoka efa ambivitra !

Mety anie ny manantena e ! Mety ny mitia anao
Ary faniriana foy no novoizina ho tsapa
Saingy zavona iny ho’aho, sendra andro dia iny lao
Ka mampanorotoro sabatra ireo mpiambina eto an –dapa

Eny, ampy angamba izay, ampy izay fotoana vitsy
Nihomehezanao ny foko sy nitampifiako teny
Tsisy fo mihambo aty fa tena tia anao mihitsy
Saingy noho ianao tsy taitra dia voatery hafoiny ireny !

IMPIRY izao ianao no hamisavisa izany ?
IMPIRY mba hitsetra ? IMPIRY hikakakaka ?
IMPIRY ianao no hamafa ity foko mitomany ?
Ny “IMPIRIKO” aminao, dia rediredin’ny voadàka !!!


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57 )
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
868 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0344