Akon'ny fahazavana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKON’NY FAHAZAVANA


Tsy fampiresahana ny eto an –tanàna
Fa tena miako ny FAHAZAVANA,
Jereo amin’izao,
Vao firy taona ianareo no nitatatra
Dia ‘zao sahady no vokatra niakatra,
Mahafa –po !
Ireo no tanora naharesy ny sarotra
Fa notahian’ny Tompo tsy toha !
Niady tsy tana;
Ny olon –drehetra no tokony hiaiky
Ary porofo mitohaka izao
Fa tena miako ny FAHAZAVANA !

Tsy dia tavin –dresaka na fidokàna
Fa miako aminao izao ny FAHAZAVANA
Nentina teto;
Filamatra izao ary azo lazaina
Fa nody ventiny ny rano nalaina:
Nameno ny lanitra !
Ireo no porofo mitory aminao
Fa mahery Andriamanitra
Fanantenana.
Toa isika rehetra no indray resy lahatra
Fa ny olona mino, tsy maintsy tafita
Na alavitra aza ny lalan –kombàna.

Miako fa mbola tsy vita ny tolona;
Any aminao izao ny mason’ny olona,
Miandry HAZAVANA :
Ianao no fitaratra enti –manitsy
Ianao no mpitarika ! Ianao mihitsy;
Ianao tanora !
Ka sao re ianao indray no hamalan –kira
Hanjary ho voarora !!!
Atao teny ierana,
Fa miaraka isika, na an –tsaha, na an –tanàna
Hitory ny hoe :
Izahay no efa AKON’NY FAHAZAVANA !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 0233 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
MANANKASINA- BETATAO
Anjozorobe, faha 20 Aogositra 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2339 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 23/07/2004 09:34
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151