You are here: home > Vetso

Ampitapitao - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

AMPITAPITAO

Mba hiangaviako anao ity taratasy ity :
Omeo azy any !
Fa lavitra ny lalana;
Ary manginy eny  ny sakan –tsy voaisa
Sy ny elanelan –tany  ;
Tetezana aza rava !
Ka ampitao ity
Ho tonga vetivety, hivantana any an –tranony :
Ataovy TANAN-DAVA !

Ny fiainana any hoe
No banga ny fitiavana
Sy ny ady ifanaronana;
Ary izany izao no mbola itolomana !!!

Raha sanatria ‘nareo
Ka tsy hifankahita tava
Dia iangaviako indrindra :
“Omeo azy ity
Dia ataovy TANAN-DAVA „

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In –TANAN-DAVA

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha