Andraso (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRASO

Tonia ianao malala, dia mahandrasa kely
Fa mby an –katerena ny firenentsika
Ka etsy izatsy izy, tsy adino velively
Fa mila hafanana ny andro mangatsiaka

Aleo aho hanainga, hiteny vetivety
Handeha mba hampahery ireo VAHOAKA ireo;
Ierako ianao malala a ! Ierako raha mba mety
Fa zakanao ve ny miondana toreo e ?

Miarena eto an –tsandriko, miarena ianao malala
Fa lavaitra ny lalako ka aleo aho hanainga
Satria ny antsika hendry fa tsy fitia adala
Ka afaka manavaka ny marina sy lainga

Dia tsofy rano tsara hahazo fandresena
Tsofy rano koa mba ho tody eto indray
Fa mila antsika hijoro ny olom –pirenena
Ka ho avy eto aho, rehefa azo izay !

Dia henoy tsara raha misy feo mipoaka:
Na basy, na tafondro, na baomba ohatra ireny
Fa miara –mihosina amiko ny ràn’ny vahoaka
Raha toa ny andianay ka tsy henoina teny !

Mionòna ianao malala, dia manamboara saina
Fa izao tsy hiverina eto raha tsy vitako ny tolona
Ary mivavaha rahampitso vao maraina
Mba ho sahiko misedra ny hatrizay tsy vitan’olona

Rehefa mba mivavaka hifoha sy hisakafo
Dia aza hadinoina ny an’ny firenena
Ho soloko mitsiky sy ho fara –safosafo
Ary ho an’ireo vahoaka maniry fandresena

Veloma ianao malala a ! avia hidio ny trano
Fa ireto avy ireto ny MPANDROBA FAHAFAHANA
MPANAFI-JOM-BAHOAKA, ny karatro iny tano
Ary mba tsarovy ny ora fivavahana

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In –TANAN-DAVA
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
990 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
sejianis ( 07/06/2004 10:00)
Tsaroako ny tantaram-piainako @ io tononkalo io.
Misaotra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167