You are here: home > Vetso

Andrin'i neny - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

ANDRIN’I NENY

Raha samy nangina
Ny olon –drehetra
Dia izaho kosa hiteny !
Fa  alavitra loatra
Ny lohasaha sy havoana
Nodiavin’i Neny,
Ny ngidy niaretany !
Ka angamba ny feoko
Mba miarahaba
No fahafinaretany

Fa io moa i Neny
Ka izao no lazaiko:

Tsy hary hahafeno
Ny haharavo anao
Izay kely ato an –tsaiko,
Fa sombin-tsafary
Sy rivotra atsòka
Natao hampifaly !
Natao ho an’i Neny !
Izaho mankasitraka
Ireo vitanao
Ombieny Ombieny !

Ka izao fiarahabana
Apetrako izao
Dia firariana;
Fa ianao “Neny tsotra”
Tsy toy ny rehetra,
Be fitsikiana !
Ianao tsy mba niala,
Na dia naditra
Sy  nahafotsy rora aho
Ry Neny malala !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA – Antananarivo
SAF TSINJO Anjanahary, faha 23 Mey 2003

Sokajy : Fety