Avy aiza (ho an'i r.jo) (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVY AIZA

Iny fiara niakatra iny
No sambo iray nitondra antsika
Ho amin’ny onjam –pisarahana
Sedrain’ny alahelo mafy !
Toa satriko aza anie Sakaiza,
Niara –nita teo isika
Dia mba niara –naka bahana e !
Fa tsy izay no fandaharana !!!
Banga anao aty ny fo
Ka toa rovitra fitafy
Mamakivaky ny ririnina.
Lalàn’ny tany angamba ny hoe :
“TSY MAINTSY MISY FISARAHANA”
Fa tsy isika no niangarana,
Ka ny lanitra , banjinina !

Iny fiara niakatra iny
No lakan’ady iray nitondra
Ny vetsovetsonao rehetra
Mba hanorin –tokantrano :
‘Ndeha hanangana ankohonana !
Sahinao sahady koa
Ny hanatrika ny fiainana
Feno fandrika sy tolona.
Anananao ny fahavononana
Hitsipa –dakana, handomano.
Hizaka adidy ianao Sakaiza
Fa miandry anao ny ZANAK’OLONA !

Ka dia nentin’iny fiara
Niakatra any iny ianao;
Mba hilaza hoe : “AVY AIZA !”


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomanoina – Anjozorobe, faha 8 Jolay 2003
--------
Rohy:
1549 2
Hevitra mandeha
Malalason ( 03/01/2005 12:37)
Misento aho fa tsaroako ilay tantara "ilay tantara mampalahelo"
R. JO
Malalason ( 31/01/2006 10:53)
nentiny aho lasany, ny fasan-drazako ho fasany...
Malalason
bitaka ( 24/11/2006 13:12)
teto amiko izy izao zà manoratra izao ary mbola manantena ny ho avinay hamirampiratra mba hampanjaka ny fitiavfanay
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106