You are here: home > Vetso

Babonao izy - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

BABONAO IZY

Tsy mahatombina izy
Fa matin –ketaheta
Mihaza anao hatrany ;
Minia manjohy anao !
Tsy mahatombina izy
Fa lasanao ny fony:
Lasanao POETA !

Ny anaranao lamainy,
Ditiany hanjary ho feta;
Ny sarinao rehetra
Sinintony an –gazety,
Raiketiny an –tahiry !
Fa babonao ny fony:
Babobao POETA !

Dia lasa vahatr’ainy
Ny anananao talenta;
Fa antenainy foana
Ho re ombieny ombieny
Ny feonao miantso !
Fa mahery ianao :
Mahery ianao POETA !!!


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo