Bedao - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Azo vakiana?
BEDAO
Tsy takatro loatra
Raha ohatra hoe:
Te-hositranina,
Tonga Mpitsabo;
Fa asa aminao !
Kanefa lazaiko,
Fa fanararaotra
Izao fahazavana
Miposaka izao !
Ianao reraka iny,
Mba te –hotarihina !
Ianao nisarangotra
‘zay hisavilihana!
Fa mainka ana;
Ka izao no fotoana :
Aza havotsitra
Hiverina intsony
Ny FAHAZAVANA !
Satriko loatra
Raha ohatra hoe :
Ianao no manina
Ilay Andriamanitra,
Ka mba mitady !
Vonjivonjeo!
Fa ny valala
Tsy in –droa mandry,
Raha am –bavahady !!!
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty- Antananarivo, faha 23 Aogositra 2003
Mombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 23/07/2004
Mpamangy : 1087
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
MIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY