Ekeko (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO

Andriamanitra ô !
Tolo –bavako Aminao
Amin’ity anio ity :
Ny hampianaranao ahy
Mba ho tia am –pamendrehana,
Ny ho tia am –pahendrena ;
Ary tsy ho tia tena
Fa hanaja sy hitandro
Ny safidy avy Aminao,
Ary hahay hanaja tena !!!

Andriamanitra ô !
Iangaviako eto anio,
Angatahako androany :
Omeo toetra tia manaja
Sy mitandro hasina aho,
Hitiavako fanahy !
Ary atolory ahy
Izay iray sitrakao
Sy ho anjarako eto an –tany;
Dia izay “TARANAKA VOATAHY”

Dia inoako Ianao fa miasa
Sy mandrindra ny safidy

Ary aoka Ianao no handidy
Ny safidy sy ny rasa

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
757 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011