Fantatro (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTATRO

Ireny hoe:"POETA" ireny
Raha izay no tena marina;
Dia tsy nanampo akory
Hifanena taminao
Raha nandrafidrafi-teny
Na mba niezaka nanarina,
Fa ny fiainan'olon-kafa
No nitovy taminao,
Dia nanjary nolazainy
Sy hitanao notantarainy:
Dia ohatra ny hoe ianao marina !

Ireny hoe:"POETA" ireny
Raha ny tena marina aminy,
Dia tsy olona minia
Hoe mandefa ny vinaniny
Na mikiribiby hiteny;
Fa misy lesoka hitany ao
Sady fantany fa handratra,
Dia tsy fanahy iniany akory
Fa noho ianao dia ianao mihitsy
No mahatonga azy hanoratra
Sy miezaka mamaky tratra.

Ary 'lay POETA ireny
Raha ny fahafantarako azy;
Dia mahafantatra fiainana
Mety tsy niainanao,
nefa azony ho azy teny,
Dia vita loko mahafinaritra !
Ary mahavariana ahy
Ireny hoe:"POETA' ireny,
Fa dia ny fiainanao vahoaka
No toa vitany ady varotra
Ka sinorany hiteny.

Fa olona hafahafa aloha
Ireny hoe:"POETA" ireny e!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Avy ao @ FARIBOLANA SANDRATRA
Antananarivo - Tél : 033 14 253 57
--------
Rohy:
843 2
Mpakafy: nyeja - sarondrahona
Hevitra mandeha
nyeja ( 23/05/2004 16:43)
tsara ry sarondrahona a , tena hainao mihitsy ilay atao hoe poeta ireny e !
Ny eja
sarondrahona ( 24/05/2004 07:25)
ka iza moa ireny hoe: "POETA" ireny e ?- Isika ihany io !
Misaotra nyeja a !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158