Fikiriko - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Azo vakiana?
FIKIRIKO
Efa lalanan niainako
Ny nitanina ora lava
Teo am – patan’ny fitia :
Fa mafàna dia mafàna !
Efa lalana nodiaviko
Ny nidraikodraiko mando
Tamin’ny kisilasila,
Fa malama dia malama !
Teo am – poto – tsofiko aza
Ny hetahetanao hitoetra
Hanohy indray ny fialan –tsasatra :
Fa tamàna dia tamàna !
Izaho mihitsy no porofo
Sady afaka milaza,
Fa tena tia azy ise
Ary tsy azo noraràna !
Nefa raha vao lasa ise,
Dia ny olona rehetra
No miara –manantena
‘Lay lokaloka tsy hay vahàna.
NY ZANAK’OLONA E! TANDREMO !!!
Fa efa mba nirian’ise
Ho vohitra sy tokantrano
Ka sao dia sanatria, hialàna.
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomanoina – Anjozorobe, faha 8 Jolay 2003
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 23/07/2004
Mpamangy : 1164
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
MIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY