Firaisan-kina - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Saika vitako ihany
Ny hanakombom–bava
Tsy hilaza n’inona n’inona !
Toa saika vitako aza
Ny handrava an–kitsirano
Ny fihavanantsika
Hanjary ho tsinontsinona ;
Hatramin’ny naneken’
Ny saiko manontolo
Fa “TIA TENA IANAO!”
Rehefa ianao no miady
Dia mahay mandresy lahatra
Fa tokony hampiana;
Rehefa anay ny tolona
Mampirara–dinitra
Sy mampikotra–nify,
Dia vitanao sakaiza
Ny mitazana ohatry ny olona :
Ny antsoko efa an–tenda,
Ianao erý mangina...
Ka diso ihany isika
Toa niarakara –poana
Sy tsy nahalala fomba;
Fa tsy izany mihitsy
No hoe : FIRAISAN-KINA !
“Mifaly rehefa faly,
Fa mba midodododo
Raha sendra fahoriana.”
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57 )
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 08 Jona 2003
Mombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 23/07/2004
Mpamangy : 1986
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
MIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY