You are here: home > Vetso

Fitia kely - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

…FITIA KELY


Mahantra eran –tany
Ny Mponin’ny  tsy manana,
Mahantra  mana – namana
Mpitsetsitra  eo an –kilany;
Mahantra odian –tsy hita !
Fa ny avo no efa sambatra
Sy mpihoraka hatrany.
Ny avo no izy ao :
Fa iretsy izao SAKAIZANY,
Dia iretsy MIARAMILANY !

Mahantra izay voahabahana !
Mahantra ireo izay mihafy !

Mahantra iretsy vitsy
Maniry fahafahana,
Mahantra mitoreo :
Mahantra tsisy Tompo,
Tsy manana ivavahana…
Mahantra mbola sempotra
Tsy afa –miantso tody,
Fa miari-tsipa –droa,
Mitaty izay miseho.
Mahantra izay mahantra,
Mahantra sady leo !!!

Mahantra izay maniry
Tsy manana mpitsetra !

Mahantra ireo fitiavana
Milofika fitsiry,
Fa mbola fara –idiny
Izay mitia rehetra
Iodonan’ny Tiaviny

Mahantra ireo satria
Mahantra ny fitia !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo