Fitia kely (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
…FITIA KELY


Mahantra eran –tany
Ny Mponin’ny tsy manana,
Mahantra mana – namana
Mpitsetsitra eo an –kilany;
Mahantra odian –tsy hita !
Fa ny avo no efa sambatra
Sy mpihoraka hatrany.
Ny avo no izy ao :
Fa iretsy izao SAKAIZANY,
Dia iretsy MIARAMILANY !

Mahantra izay voahabahana !
Mahantra ireo izay mihafy !

Mahantra iretsy vitsy
Maniry fahafahana,
Mahantra mitoreo :
Mahantra tsisy Tompo,
Tsy manana ivavahana…
Mahantra mbola sempotra
Tsy afa –miantso tody,
Fa miari-tsipa –droa,
Mitaty izay miseho.
Mahantra izay mahantra,
Mahantra sady leo !!!

Mahantra izay maniry
Tsy manana mpitsetra !

Mahantra ireo fitiavana
Milofika fitsiry,
Fa mbola fara –idiny
Izay mitia rehetra
Iodonan’ny Tiaviny

Mahantra ireo satria
Mahantra ny fitia !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
780 2
Mpakafy: sarondrahona - maditra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153