Foana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOANA

Ny azy kosa angamba heveriko
Fa efa tafahoatra loatra
Ny ati-fo sy ny atidohany !
Tsy haiko moa na tena sainy,
Na kabary tsy valiana
Nomen’andriamatoa filohany;
Fa dia tena habibiana !!!

Mafy loatra ka tsy zaka
Ny filalaovana ain’olona :
Ny fihazàna MALAGASY
Sy famoretana VAHOAKA
Isaky ny misy tolona

Antsoantso vonjy sisa
No ala –nenina azo atao,
Ho an’ireo VAHOAKA ireo;
Fa ilay nitondra anao :
Nivaralila, nigorisa !!!

Mizara roa izao ny efitra :
Ny iray manjaka ambony rivotra !
Ny iray miantso an –tany efitra !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
893 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167