Fombany (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOMBANY

Mahatsiaro anao sakaiza
I FENO tsy mahafoy,
Fa lava ny elanelana
Manovana ny tany;
Dia lava koa ny antsana
Sy telina nafoy :
Tsaroan’i FENO foana
Ianao Sakaizany any !

Hivalona ny taona
Handimby ny manaraka!
Samy Asaramanitra
Izao tontolo izao;
Fa ny azy aty ny embona
No tapitra miraraka
Sasatra mahatsiaro
‘lay FENO namanao !

Mahatsiaro anao Sakaiza
Mahatsiaro anao foana !
Anaty kalokalon’
Ny faly velon –kira.
Miontana ny fony
Fa tody tonon –taona
Ka ny anaranao
No zary kirakira.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
883 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104