Fotoanany (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOTOANANY

Satriko hanoratra foana ho anao
Isa –minitra;
Fa mamiko loatra,
Tsy lefitro mihitsy ny fiarahantsika
Raha tsy tsiarovana foana ohatr’izao.
Ianao any sasatra mipitrapitra,
Izaho malahelo fa tsy afa – manoatra :
Alavitra isika !

Satriko isika hiresaka foana
‘Reo “TSIAMBARATELO”
Sy tafa andrianina,
Te –hahita anao aho, hizara fitia
Saingy indrisy fa tsy afaka mihaona :
Ianao any fantatro fa malahelo !
Izaho ity tsy afa –manoatra fa manina,
Alavitra loatra.

Fa ny fitiavana tsisy an’izany,
Tsisy elanelana ! tsy miova laka !
Mitempo aminao any foana ny foko,
Dia mbola aminao koa ny lalan –kombàny.

Izao ny fitia vao tokony hamelana,
Tokony hisondrotra sy hiorim –paka
Fa alavi –tadio.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
MANANKASINA – BETATAO/ Anjozorobe, faha 20 Aogositra 2003
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1004 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154