You are here: home > Vetso

Goraina - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

GORAINA

Ny hoe maha-MPINAMANA
Akory  tsy GADRA
Ka natao hiaretana mandrakizay;
Fa io indray SAFIDY !
Na tia aza ianao,
Dia voatery mandrora
Rehefa torahana,
Kaopy mangidy!!!

Ny hoe maha-MPINAMANA
Dia tsisy sazy
Ka natao hiforetana mandra-maraina
Fa io lakalaka;
Na tia aza ianao
Dia tsy maintsy mitsoaka
Rehefa mba sendra
Ny bala tsy zaka

Ny hoe maha-MPINAMANA
Tsisy lalàna
Fa izay herinao no mihazona azy
Matoa io tavela.
Fa tsy zakako kosa
Ny fotsifotsiana
Tsy tanako fa efa  niafiko
Hatry ny ela

SARONDRAHONA  RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Beronono faha 27 jona 2003

Sokajy : namana

Hametraka hevitra

Midira aloha