Hihodina (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIHODINA

Anananao ny vola
Dia zakanao ny tany;
Fa aza adinoina
Hoe : “indray andro any…
Hivadika ny rasa !”,
vao sendra ankodimirana
Tsy ampoizinao akory
Dia hiova indray ny fiainana :
“Ianao ho tapi –dalana
Fa izy ho lasalasa”.

Fa izy izao mahantra
Dia sahinao enjehinao
Ho ratsy fara-idiny,
Ezahinao potehina.
Nefa koa tsarovy ny lalàn’ny fihodinana :
Fa “misy fara-idiny
Manjary TREMALAHY,
Misy zatra voky
Finaran’ny tsy mihinana !

Ka mbola mihodina io
Fa tohizo ny lalao !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( Tél : 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In – TANAN-DAVA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1147 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101