Hitolona (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HITOLONA

Maninona anefa raha toa tena atrehina
Izay fahavalo mitady handroba e ?
Tsy aleo ve ravàna? Tsy aleo ve potehina ?
Fa tsy ny mpanafika no hirobaroba
Amin’ny harem –bahoaka !
Nefa mahagaga ity ianao mba mitolona,
Fa mba mikiry sy sahisahy ihany,
Saingy tsy vonona !
Vao don –tany ‘nareo dia mitsoaka,
Manao fara hery sy manavotra aina,
Toa vorona kaody tsy mahasaraka Ala.
Ianao aza vorona mora tabaina
Ka aiza no hihiratra ny adro maraina ?

Dia kivy eo ianao !!!

Tsy hainao angamba ny andro fahiny :
Fa nisy dia nisy ny fandriana an –tsaha
Sy ny aina nasorona;
Nahamena lamba ireo MENALAMBA
Tsy nanaiky ho resin’izay vono –vorona
Sy fandrahonana;
Fa TSY FITOKONANA loatra iny taminy,
Fa FITOLOMANA !

Sahia rehefa miady, misikina tsara:
Sahia mba mijoro !
Fa ianao raha mitaky tsy hoe anjoanjo !
Mizara mamoritra tanan’ankanjo
Raha tena hikatroka e !
Fa raha hitabataba tsy misy atrik’asa :
Aleo dia mangina !
Aleo tsy miteny !
Ianao miantsoantso hoe : “DADA sy NENY”
Kanefa matahotra !

Sahia miteny ! sahia mitolona !
Satria tokontany filalaovana eto
Fa tsy tanànan’olona;
Hery voriana !

Fa raha peta –drindrina
Sy taratasy mameno tanàna;
Dia LEO NY GASY!
Mihomehy ny lalàna !
May eo ny vary !!!

Tena ASA ny tolona fa tsy KABARY !!!



SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
905 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629