Hojinjaina (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOJINJAINA

Manomboka izao,
Dia tsisy hanafenana isika rehetra
Fa samy ilazàna :
‘ty tany eto ity,
Tsy azo honenana mandrakizay
Fa taona voafetra;
Ka samy hanatrika ilay FITSARANA
Na iza na iza.

Ohatra ireto :
Raha toa fahotana
No natsanganao,
Ho Tompo ivavahana;
Izao dia izao ihany
Dia mihomàna
Fa ao ny AFOBE !
Ary io tsy nasiana fanavakavahana,
Fa n’ iza n’iza misafidy ny ho any:
Dia samy mandeha !

Fa raha FAHAZAVANA
No naharetanao
Ny fakam –panahy;
Izao dia bitsiho
Amin’ny eto an –tanàna
Ny tsiron’ny lanitra !
Ary ianao dia anisan’ny efa voatahy
Toa hitako sahady
Hisakambina anao aza ity,
Andriamanitra.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarikvo
Ambatomainty-Antananarivo, faha 23 Aogositra 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2017 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014