Iray (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRAY

Na inona fanindron’ny hambom –po anaty
Na inona fanosik’izay fitiavan –tena ;
Dia ny firaisan –kina no kajio mandra –maty :
« Ataovinao fenitra ny firaisam –pirenena ! »

Ny AVARATRA sy ANIVO ; ny ATSIMO sy ANTSINANANA
Iombonan’ny ANDREFANA sy TOKANA TANTARA;
Ka inona àry moa no tsy tokony hihavanana
Raha mba mihambo ho zanak’i MADAGASIKARA ?!

Fa n’inona famitak’izay fitiavan –tseza
Na inona hamamin’ny fanohanana olona
Ny maha – IRAY antsika no tokony hateza
Fa DINGANA LEHIBE no vokatry ny TOLONA

Na ny RAIBENAREO, na ny DADABENAY
Dia samy nanatsatoka izay fahendrena izay

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
823 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153