You are here: home > Vetso

Ka asa... - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

KA ASA… !

Dia lasa takoritsika
Sy resaka mandeha
Ny masoandro sy ny volana

Nanjary fivoriana
Sy famoriam –bahoaka
Nitantar├ána olana…

Nanjary toriteny
Sy lasa fampianarana
Isak’ALAHADY

Nanjary fandaharana
Sy fizaran –draharaha
Natao karazan’ady !

Ny arỳ mataho –ko jamba
Ka hihiboka aman –trano
Hivavaka hiantsinanana;

Ny MALAGASY sasany
Hivoaka sy hitazana :
Hitsapatsapa tanana !

Dia lasa koa ny vina
Ny hoe: “masoandron’iza
No hotinakom –bolana ?”

Fa any mantsy misy…
Na ny hanampenan –trano aza
Tolona sy olana !

SARONDRAHONA  RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
20 Jona 2001- tao BERONONO -Anjozorobe