Kiady - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Azo vakiana?
KIADY
Na iza hisahotaka, na inona hipoaka
Dia aoka aloha ho tony ny fihetsikao vahoaka
Aty am –piandohàna
Fa raha mirafarafa anaty tsilo ianao
Dia tadidio tsara
Fa tsy maintsy hazeran’ny lalana malama !
Ianao tsy mahalala fa ny olona efa niomana
Nefa ianao indray tsy miandry hanatonana
Fa tonga dia mivoaka;
Farany hifandiso tsy fantatrao intsony
Izay tokony hapoaka
Fa ho triatra ny vilany, ho potika ny sarony !
Mandalo eny ianao: mamofompofom –banja,
Tsy fantatrao intsony… fa tototra ny kianja
Manaizanaizan’ady
Dia iny koa ianao miroso an –tsitra –po
Tsy nanan-tsiny akory,
Kanjo vetivety dia potraka sahady !
Tonia ianao vahoaka dia mandamina saina
Fa mbola izany aloha no tolona ilaina
Hatsangana ho kiady !
Fa ho avy ny fotoana tena ilàna anao
Ka meteza ho tony !
“Ny fahaizana mandamina no entinao miady !
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
DO.COM.CYBER Ankadifotsy, 16 Jona 2004
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 16/06/2004
Mpamangy : 936
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
MIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY