You are here: home > Vetso

Kiry - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

KIRY
Hariva ilay  tanàna tsy mba manan –teny firy :
Hariva mandry fotsy !
Hariva  mamanalan’ny tafa kotra am-bohoka;
Soandriana miondana afy !
Matory io vohitra io
Fa tsy mety ho tapi –mandry,
Hariva sasa –miandry ny fararano be !!!

Hariva ilay tanàna tsy mba henonao fitafa :
Hariva mitanisa !
Hariva valabalaky ny asa mahazatra,
Tsindrian’ny visavisan’ny mbola hotadiavina;
Vesaran’adin-tsoritra !
Miato io vohitra io
Fa tsy mety ho afa –bizana,
Hariva am –pikirizana ny asa fivelomana !

Ka rehefa mifanitsy ny aizina ho tonga
Sy ny asa akaiky ho vita
Vao tena hariva mihitsy !

Hariva miaka –boanjo…!
Hariva anjoanjo…!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (Tél : 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In – TANAN-DAVA

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha