Lakalaka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAKALAKA

Miahotra izy izao
Fa lasanao ny fony ;
Tsy adinonao angamba
Ny rintony fahiny;
Fa ny hisian’izao
No efa tsy ninoany
Sy tsy mba nantenainy.
Kanjo babo ihany !
Ka vaka izao ny sainy !

Dia tankina izy izao
Fa miantso anao ho “MALALA”,
Tsy tao an –tsainy mihitsy
Ny antsonao taloha
Nisavitsavika azy.
Fa nolazainy adala
Andrasana ho reraka;
Lany izao ny laingany
Ka tankina tanteraka !

Ny anao moa lakalaka
Fa izy ity no vaka…

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
847 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01