You are here: home > Vetso

Lalany - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

LALANY

Ambara ankitsirano
Sy tsy afenina amin’ise
Ry zandry mbola hitia ,
Fa aza maika loatra
Raha sarotra ny lalana
Na ratsy sanatria;
Ary izao no tano :
“Hampoizo ny hitsotra
hanaiky anao ho TIANA !
Fa hampoizo koa
Ny tsy maintsy hitsivalana !”

Ary indrindra, indrindra,
Ataovy an-tsaina tsara
Sy mba fantaro aloha
Izao lalàna izao :
“Tsy rehefa tia ianao,
Dia tsy maintsy hotiavina !
Na rehefa mba mitady
Dia tsy maintsy hotadiavina !”
Fa ny anao faniriana;
Dia hevero fotsiny hoe :
Mitovy tsisy valaka
Amin’izay fananan’olona  rehetra niangaviana

Ka dia  folahy ny saina
Ho zatra fisedràna
Na mba hatanty  ho reraka;
Fa tsy  rehefa tia
Dia manantena hitàna,
Na rehefa faniriana
Dia tsy maintsy ho tanteraka !
Tsy rehefa mba mikasa
Dia hoe   natao ho tiana;
Fa misy fetrany io !

Ka hitia ise ry zandry !
Haniry ZANAK’OLONA !
Dia ireo no tadidio !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( Tél : 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In – TANAN-DAVA

Sokajy : FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha