Mafy orina (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY ORINA

Rediredy ka lazaina
Eritreritra tsy mandry…
Mandry tsisy eritreritra !

Fa hiverina impiry
Izato fatram –barin –jaza
Vao haharitra ny onibe
Na ireo farihy malaza ?
Rediredy mitsikasina !
Fa impiry hatsàka ianao
Vao haharitra ranomasina ?
« Firifiry » impiry ?

Fohazy indray ny nodimandry
Raha mbola sahinao bataina;
Bataina an’eritreri –maika…

Fa hidofotra impiry
Ny rora atsipitsipinao
Vao hahavaky fefiloha
Na handrava toho-drano ?
Firy taona tsy an –kiato?
Hatosikao fanondro firy
Ny tamboho mirary vato
Vao hirodana , hikoa ?

Dia angano, anganoina
Na ronono atao an –tavy :
Tavin –dresaka any an –takona !

Fa hitsatoka impiry
Ny kijandrajiandranao,
Vao haharovitra biriky
Na totorano mankadiry ?
Ratra firy hitakosona ?
Ho voarodanao rahoviana
Ny manda be fito sosona,
Na ho savilihana aza ?

Fa ny herinao fotsiny
No mandeha mitety rivotra
Mamaky habaka tsy tratra.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57 )
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1524 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159